Pejy Gasy

 

RANDRIANAHASINA Théogène

 

NY KAREMY

 

INONA MOA NY KAREMY?

 

Ny karemy dia avy amin’ny teny Latina “koranta” izay midika hoe “quarante” amin’ny teny frantsay ary nadika amin’ny teny Malagasy hoe “efapolo”.

 

Ny karemy dia 40 andro alohan’ny PAKA izay manomboka amin’ny alarobian’ny LAVENONA ka miafara amin’ny Zoma Masina. Io dia fotoana izay iantsoan’Andriamanitra antsika olombelona mba hivavaka , hibebaka, hifady hanina ary hanao ny asa fitiava-namana misimisy kokoa.

 

NY ZAVATRA EFATRA ANENTANAN’ANDRIAMANITRA NY VAHOAKANY MANDRITRA NY KAREMY.

 

-         Mibanjina ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjena atolony ho antsika amin’ny alalan’ny famakiana ny Soratra Masina.

 

-         Ny fitiavam-bavaka: midera sy misaotra, mifona, mangataka (mangataka ny Fanahy Masina, fanampiana, famonjena,sns…).

 

-         Finiavana hibebaka sy hiova toetra.

 

-         Asa soa sy asa mitory fitiava-namana.

 

 

ZAVATRA TELO TOKONY HATAO MANDRITRA NY KAREMY.

 

-         Manao jery todika ny zavatra niainan’ny vahoaka Hebrio tany anefitra (fitsapana, didy folo, sns…).

 

-         Mandinika ny fiainan’I Jesoa ( fakam-panahy Mt 4,1-11; Jesoa nisintaka hivavaka M

 


Page Information

  • 6 months ago [history]
  • View page source
  • You're not logged in
  • No tags yet learn more

Wiki Information

Recent PBwiki Blog Posts